Akom-baovao DIRMRS Mahajanga: Fiaraha-miasa amin’ny Polisim-pirenena momba ny fampanarahan-dalàna ny fitaterana harena an-kibon’ny tany

Notanterahana ny faha-18 Marsta 2022 ny fampiofanana ny ekipan’ny Polisim-pirenena ao Mahajanga, izay nifarimbonan’ny avy eo amin’ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Harena ankibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIRMRS Mahajanga sy ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany.

Fotoana izay niompana indrindra amin’ny fampahafantarana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa vato, indrindra ny mahakasika ny fitaterana sy fivezivezen’ny vato.

Noresahana ihany koa ireo mety ho endrika tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny tokony atao rehefa tojo ny tranga toy izany. Izao no natao dia mba hampirindra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera tomponandraikitra voalohany momba ny harena ankibon’ny tany sy ireo mpisehatra rehetra izay tsy afa-miala amin’izany.

Fampitam-baovao sy sary : Tale Iraisam-paritra DIRMRS Mahajanga