Manatrika ny Tatitra ataon’ny Governemanta amin’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier – CCI Ivato, 28-29 Jona 2022

Toy izao ny sombiny amin’ny Tatitra nataon’Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian :

– Sehatry ny fitrandrahana sy fifandraisana eo amin’ny harena an-kibon’ny tany :

Nasiana fijerena ireo fepetra mikasika ny haba sy hetra ary hohitarina amin’ny faran’ny taona 2022 ny fe-potoana handoavana ny saram-pitantanana na » Frais d’administration minière » mahakasika ireo fahazoan-dalana eo anivon’ny biraon’ny kadasitry ny harena an-kibon’ny tany. Na teo aza ny fahasahiranana goavana nolalovana dia niroso hatrany ny Fitondram-panjakana tamin’ny fanatanterahana foto-drafitrasa sy programan’asa goavana isan-karazany

– Fampandrosoana ara-toe-karena, sehaty ny harena an-kibon’ny tany

Manoloana ny fisian’ny fitrandrahana tsy ara- dalàna, fanondranana antsokosoko ary tsy fanajana ireo tamberin’andraikitra amin’ny fanondranana dia miroso amin’ny fanadiovana io seha-pihariana io isika. Noho izany ireto ny asa efa an-dalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao :

– fametrahana ny fitrandrahana manara-penitra (exploitation responsable) izay mitondra any amin’ny fitrandrahana madio, manaja ny zo fototra maha olona ary ny tontolo iainana

– fametrahana ireo fepetra hentitra entina manokatra indray ny fanondranana volamena ara-dalàna 

– fanentanana ireo mpandraharaha  tena matotra sy marim-pototra

-fanatsarana ny fanarahan-tsoritra, fanarahan-dia mazava « traçabilité »  ireo vokatry ny harena an-kibon’ny tany, indrindra ny volamena, manomboka eo amin’ny fitrandrahana mandalo amin’ny varotra sy fanondranana ary hatrany amin’ireo mpandray ny vokatra any ivelany sy ny fampodiana ny vola vahiny aty an-toerana.

-fametrahana ny tahirim-bolamena ho « or monétaire », araka ny fenitra iraisam-pirenena eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara, mba ahafahana mizotra any amin’ny fifandanjana ara-barotra sy ny fahamarinan-toeran’ny sandam-bola Malagasy

– Fanarahana akaiky ny fampodiana vola vahiny   » rapatriement de devise » amin’ny alalan’ny fifehezana ny SIG-OC

– Efa miroso ny famolavolana ny fanavaozana ny Code Minier izay mifototra amin’ny fijerena ny tombontsoa  ambonin’ny firenena  malagasy izay tompon’izany harena izany, indrindra mahakasika ireo tamberina ara-drariny tokony hefain’ny mpandraharaha eo amin’izany sehatry ny harena an-kibon’ny tany izany

– Taorian’ny fanadiovana ireo fahazoan-dalana hitrandraka « permis minier » teo anivon’ny « Bureau du Cadastre Minier de Madagascar » dia efa mizotra amin’ny fanomezana fitohizan’ny fahazoan-dalana hitrandraka ho an’izay mbola manan-kery ; eo am-pandaminana kosa isika mahakasika ny fanokafana ireo fahazoan-dalana hafa

Isan’ny ezaka lehibe nataon’ny Fitondram-panjakana ary nankatoavin’ny ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 04 May lasa teo ny fametrahana ny   » Zone d’encadrement  » ho an’ireo vondron’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy volamena tena madinika

– Tsy ambanin-javatra ihany koa ny ady marolafy nataon’ny Fitondram-panjakana  tamin’ireo tranga na tsy fanarahan-dalàna, efa maro toa izany koa ireo voasazy na naiditra am-ponja ary koa ireo tranga voasoroka.