AKOM-BAOVAO DRMRS DIANA : Atrikasa ho an’ny mpisehatra rehetra voakasiky ny fitrandrahana volamena ao Betsiaka

Fahombiazana tanteraka ary nahavelom-bolo ireo mpandray anjara ny Atrikasa ho fiaraha- midinika ny fitrandrahana volamena ao Betsiaka, izay notanterahan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS DIANA sy ny Agence Nationale de la filière Or ANOR Ambilobe, ny 18 Jolay 2022 tao Ambilobe. 

Nanome voninahitra izany hetsika izany ny fanotronana sy fandraisan’anjara mavitrika avy amin’ireo tomponandraikitra sy solontenam-panjakana ary olobe eny ifotony, toy ny Préfet d’Antsiranana, Lehiben’ny Distrika, ny avy ao amin’ny Faritra DIANA, ny Procureur de la République, ny Ampanjaka Tsimiharo III. Teo ihany koa ireo mpitandro filaminana ary indrindra ireo mpiantsehatra mivantana izay tena antom-pisian’izao hetsika izao.

Niaraha-nidinika nandritra izany ny fanatsarana ny fahafahana mifehy ny lalam-pihariana volamena na ny traçabilité de l’or, ireo paikady hiadiana amin’ny lalana maizina fivoahany, ny fanohizana ny asa sy ezaka amin’ny fampidirana ireo mpisehatra amin’ny rafitra ara-dalàna izay lalana azo antoka amin’ny hisitrahan’ny vahoaka sy ny faritra ivoahan’ny vokatra ny  tamberim-bidy azo avy amin’izany.

Harena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany ka rariny sy hitsiny ny fanamafisana ny paikady hitantanana izany ara-drariny mba ho lovain-jafy.

Ankasitrahana feno ny fanehoan-kevitra sy fifanomezan-tanana avy amin’ny mpandray anjara rehetra ka nahatontosàna iny hetsika iny. Ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DRMRS DIANA dia maneho fahavononana hatrany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra mba hitondràna ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny Faritra, sy Madagasikara manontolo.

📸Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS DIANA

©️ MMRS/DCRI – Juillet 2022