Akom-baovao DIRMRS Mahajanga momba ny fanentanana ifotony ny vahoaka amin’ny fametrahana ny Zone d’encadrement

Ny 15 ka hatramin’ny 22 novambra 2022 lasa teo, ny ekipan’ny DIRMRS Mahajanga dia nanatanteraka fidinana ifotony momba ny fametrahana ny « Zone d’encadrement » tany amin’ny Distrikan’i Analalava, Faritra Sofia.

Ny Fokontany Ampasindava sy Marotomendry, Kaominina ambanivohitra Ambarijeby Sud sy ny tao amin’ny Fokontany Ampanitoa, Ambolombozo, Ambinda ary Andavenina, Kaominina Ambanivohitra Ambolobozo izay samy hita ao anatin’ny Distrikan’i Analalava, no nanatanterahana an’izany.

Noresahana nandritra izany ny :

– fampahafantarana ny vahoaka ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ;

– fampahafantarana ny vahoaka ny lalàna mifandraika amin’ny famaritana ny « zone d’encadrement » ; 

– fampahafantarana ireo dingana tokony arahana amin’ny fampidirana sy famaritana ny « zone d’encadrement » ;

– fampahafantarana ny torolalana momba ny toerana tsy azo anaovana asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Nankasitraka ny asa izay natao ireo tomponandraikim-panjakana any ifotony sy ireo mpitrandraka madinika. Mangataka ny fanafainganana ny fampidirana azy ireo ho ao anatin’ny ara-dalàna izy ireo ary koa mba hanamorana ny fikarakarana ny antontaratasy rehatra izay ilaina amin’izany.

 Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Mahajanga

MMRS/DCRI – Décembre 2022