FITSIDIHANA NY ASA FANANGANANA BIRAON’NY FITANTANAN-DRAHARAHAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY NA NY BUREAU D’ADMINISTRATION MINIERE (BAM) ANALANJIROFO

Nihazo an’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier ny faran’ny herinandro teo, nijery imaso ny fivoaran’ny asa fananganana ny biraon’ny fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany na Bureau d’Administration Minière (BAM), izao andalam-panorenana ao amin’ny Fokontany Sahavola, Kaominina sy distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. 

Kendrena ho azo ampiasaina amin’ny volana Martsa 2023 ity biraon’ny fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany ao Analanjirofo ity. Efa misy rano sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, efitra birao fiasana ambony sy ambany miisa 6, ary hahitana ireo ratsa mangaikan’ny Ministera sy ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany. Ny ao amin’ny Prefektiora no nanolo-tanana ny Ministera nanome ny toerana nananganana ny fotodrafitrasa, izay nisaoran’Andriamatoa Minisitra manokana.

Hapetraka ao amin’ity biraom-panjakana ity ny saritany maneho ireo karazana vokatra harena an-kibon’ny tany misy ao anatin’ny Faritra mba hanampiana ireo mpisehatra hahafantatra bebe kokoa ny sehatra iasany.

Tany an-toerana ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sady Minisitra miahy ny faritra Analanjirofo, ny Général de Corps d’Armée Serge Gellé, ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoarivo Atsinanana sady lehiben’ny vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany eo anivon’ny Antenimierampirenena Mohamad Ahmad, ny sekretera Jeneralin’ny Faritra nisolo tena ny Governora sy ireo tompon’andraikim-panjakana sivily sy miaramila any an-toerana.

Nambaran’ny Minisitra mpiahy ny faritra Analanjirofo, ny Général de Corps d’armée Serge Gellé fa loharanon’asa, hanafoana ny hala-botry ary hampiroborobo ny fampandrosoana ny Faritra sy ny firenena, ny fahafahan’ny mponina misitraka ny harena misy ao aminy. Nankasitrahany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana sy ny Ministera amin’ny fametrahana fotodrafitrasa manampy ny eny ifotony tahaka izao, hiadiana amin’ny fanararaotana.

MMRS/DCRI – Décembre 2022