FAMBOLEN-KAZO DRMRS TOLIARA

Ny Talata 09/03/2021, tao aorian’ny fitokanana foto-drafitrasa: trano fonenan’ny Ben’ny Tanàna sy trano fandraisam-bahiny roa nomen’ny LABRADOR MADAGASCAR, dia niroso tamin’ny hetsika fambolen-kazo teo anivon’ny Commune Rurale BENONOKA, District BENENITRA ny daholobe.

Izany hetsika izany dia notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika ary nohotronin’ireo manam-pahefana maro toy Andriamatoa Solombavambahoanak’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i BENENITRA, Ramatoa Lehiben’ny Distrikan’i BENENITRA, Andriamatoa Ben’ny Tànana Commune Rurale BENONOKA, ireo mpiara-miasa amin’ny SOCIETE LABRADOR MADAGASCAR sy ny mpiara-miombon’antoka aminy SOCIETE RED GRANITI

Zana-kazo miisa 30.000 fototra no nomanina hovolena ka ny 10.000 fototra tamin’izany dia zana-kazo LALOASY sy RAKETA hita tao an-toerana ihany, raha ny 20.000 fototra kosa dia avy any Antananarivo toy ny Acacia, Mangarahara, Tamarin, Baobab, Ramy sy zana-kazo fihinamboa maro samihafa.

Araka ny fitanana an-tsoratra nataon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana avy ao Toliara dia nahatratra 75%-80% ny taham-pahombiazana nandritra ny hetsika fambolen-kazo ny taona 2020.

Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana sy fiaraha-misakafo ity hetsika ity.

Inauguration CEG Soavinimerina

Ny fianarana no lova tsara indrindra

Nahazo Trano Sekoly vaovao, ho an’ny zana-bahoaka eo amin’ny Fokontany Soavinimerina sy ny Fokontany valo manodidina, ny CEG Soavinimerina ao amin’ny Kaominina Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo. Ny Fianakaviana Dadahoela sy Mamabako, ray aman-drenin’ Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA no nanangana izany fotodrafitrasa izany.

Natolotr’Andriamatoa Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, nisolo tena ny Fianakaviana, an-dRamatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny 11 Martsa 2021, ireo fanalahidy ho mariky ny fanolorana ny Trano Sekoly vaovao ho an’ny Fanjakana. Nanambara izy fa ho famaliana ny antson’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA, araka ny fanentanana hoe “Eo amin’ny toerana izay misy anao dia ataovy izay azon’ny tananao atao, ahafahana mampandroso ny firenena” no nandraisan’ny Fianakaviana Dadahoela sy Mamabako anjara biriky amin’izany fampandrosoana izany. Araka izany, aoka tsy hiandry ny Fitondram-panjakana foana isika fa amin’izay azontsika atao dia tanterahina izany, hoy hatrany ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA.

Naneho fisaorana ny amin’ny fiaraha-mientana amin’ny fanatratrarana ny vina sy ny Veliranon’ny Filoham-pirenena Ramatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr SAHONDRARIMALALA Marie Michelle, raha nandray fitenenana. Ny Fitondram-panjakana rahateo dia manao laharam-pahamehana ny fanabeazana, araka ny Velirano faha-4. Porofon’izany, nanolotra seza sy latabatra, Rakibolana sy boky fianarana ho an’ny mpianatra ao amin’ny Kilasy faha-9 an’ity CEG Soavinimerina Mahitsy ity ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nanamafy izany fiaraha-mientana izany ny fifanotronan’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny tamin’ny lanonam-pitokanana : ny Loholon’i Madagasikara Andriamatoa RAMANAMBINTANA Richard, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambohidratrimo Andriamatoa RAKOTOARISOA Johnny, Ramatoa Mpanolotsaina Teknika an’ny Praiminisitra izay nisolo tena azy, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Mahitsy sy ireo manam-pahefana eny ifotony.

FANKALAZANA NY 8 MARTSA 2021

« Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ». Io no teny filamatra nentina nankalazaina ny andron’ny 8 Martsa 2021.

Hetsika maro no nanamarihana sy nankalazana izany manerana ny Nosy nandritra ny andro maromaro, ary nandray anjara mavitrika tamin’izany hatrany ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika toy ny tany Fianarantsoa, Alaotra Mangoro, Menabe, Antsiranana, Analamanga ary Toamasina.

Tsy diso anjara tamin’izany fankalazana izany Ramatoa vadin’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, izay nandray anjara feno sy am-pitiavana tamin’ireo hetsika notontosaina nandritra ny ivon’ny fankalazana izany Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy izany. Tany Antsiranana no nanatanterahana izany fankalazana ofisialy izany ary notarihan’ny Filoham-pirenena mivady sy ireo mpiara-dia aminy. Atrikasa narahana adihevitra nifototra amin’ny resaka tontolo iainana, fambolen-kazo honko (mangrove) lahy sy vavy tao Sakaramy, Lac Mahery kosa no nifarimbonan’ny rehetra ny andron’ny 8 Martsa, teo ambany fitarihan-dRamatoa vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA. Nandray anjara tamin’izany ireo vehivavy Minisitra, Solombavambahoaka, tomponandraikitra eny ifotony ary ny vadin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Nisy ihany koa ny fanolorana ny Gallodrome sy ny Tranoben’ny serasera sy ny Kolontsaina nataon’ny Filoham-pirenena mivady.

Ankoatr’izay, fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, fambolen-kazo sy fambolena voninkazo ary zana-kazo fihinam-boa, atrikasa sy adihevitra, fizaham-pahasalamana maimaim-poana no isan’ny hetsika tanteraka nandritra izany Fankalazana maro miantoana izany.

FAMBOLEN-KAZO DIRMRS TOAMASINA

Tontosa ny Asabotsy 27 Febroary teo ny fambolen-kazo 2021 izay nokarakarain’ny Fitaleavam-paritra ny MMRS sy ny BCMM Toamasina.

Nitarika izany hetsika izany tany an-toerana Andriamatoa Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA. Ankoatra ireo mpiara-dia amin’ny Minisitra dia nifanome tanana tamin’ny fianakaviamben’ny DIRMRS sy BCMM Toamasina ihany koa ireo mpandraharaha amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany.

Natao tao Ambohimasoa, CR Vohitranivona, District Brickaville izany ary zana-kazo miisa 1000 fototra, nahitana ny acacia sy kininina manitra izay mifanaraka amin’ny toe-tany no novolena nandritra izany.

Ankoatry ny fambolena moa dia nanara-maso ny fitomboany sy fanirian’ireo zana-kazo voavoly ny taona 2020 izay hita fa naniry tsara.

« Ho rakotr’ala Madagasikara »

“Izay mamboly hazo, tia tanindrazana. Izay mandoro ala, mandoro tanindrazana”

FITSIDIHANA TAO AMIN’NY SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA – 26/02/2021

Nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA sy ireo mpiara-dia aminy taorian’ny fitsidihana ny toeram-pitrandrahana Nickel sy Cobalt Ambatovy tany Moramanga sy ny toeram-pamokarana aoToamasina. Fidinana ifotony niompana amin’ny fijerena ny fizotran’ireo paika sy pitsopitsony tanterahana amin’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany.

Izao fitsidihana izao no natao dia mba hahafahana mahita izay fanatsarana tokony ho entina amin’ny fanaraha-maso sy fanamarinana ny karazana, ny kalitao ary ny habetsahan’ny harena an-kibon’ny tany izay aondrana, hoy ny fanazavan’ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA.

Ankoatr’izay, nojerena nandritra izany fitsidihana izany ihany koa ny anjara andraikitra sahanin’ny tomponandraikitra rehetra ao anatin’ireo dingana lalovana mialoha izany fanondranana harena an-kibon’ny tany izany, isan’izany ny Sampandraharaham-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Fadintseranana. 

FIHAONANA TAMIN’IREO BEN’NY TANANA MISITRAKA NY TAMBERIM-BIDY ENTIN’NY ASA FITRANDRAHAN’NY ORINASA AMBATOVY

Taorian’ny fitsidihana ireo toeram-pitrandrahana Nickel sy Cobalt tao Ambatovy Moramanga ny 25 Febroary 2021 dia nisy ny fihaonan’Andriamatoa Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA tamin’ireo Ben’ny Tanàna ny Kaominina Ambohibary, Morarano Gara ary Andasibe izay kaominina misitraka be indrindra ireo tamberim-bidy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany avy amin’ny orinasa Ambatovy.

Tsy maintsy jerena araka izany ny mety ho fiantraikan’izany fitrandrahana izany amin’ny vahoaka sy ny fampandroasana ireo vondrombahoakamparitra. Araka izany, notanterahana izao fihaonana sy fifanankalozan-kevitra izao eo amin’ireo Ben’ny tananan’ny kaominina izay misitraka ireo tamberim-bidy entin’ny asa fitrandrahana ataon’ny tetikasa Ambatovy.

Nanomboka ny volana Oktobra 2012 no nandray izany izy ireo ary ankehitriny dia atao ny tombanezaka ny amin’ny asa fampandrosoana sosialy izay vita sy ny tetikasa izay kasain’izy ireo hotanterahana mba ahafahana mampifandrindra ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fampandrosoana ataon’ny Fanjakana Foibe. Nampahafantarina an’ireo Ben’ny Tanana ihany koa ny amin’ny Vina sy ny fomba fiasan’ny Fitondram-panjakana manoloana izany tamberim-bidy sy tetikasa fampandrosoana ifotony izany.

Heverina fa rehefa mitohy ny asa fitrandrahan’ny tetikasa Ambatovy dia hizotra manaraka ny vinan’izao Fitondram-panjakana izao ny fampandrosoana an’ireo kaominina ireto.

Ao anatin’ny fanarenana ny toe-karena tao aorian’ny fandalovan’ny valanaretina Coronavirus i Madagasikara ary anisan’ny manana ny anjara toerana amin’izany ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Nanatanteraka fitsidihana ireo fiomananan’ny orinasa Ambatovy, izay hiverina hamokatra tsy ho ela, tany amin’ny toerana fitrandrahana sy fikarakarana ny Nickel sy Cobalt tany Moramanga sy ny ozinina Toamasina ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA sy ireo mpiara-miasa aminy ny Alakamisy 25 febroary sy Zoma 26 Febroary 2021.

Fitsidihana izay nahafahana nahita ireo fiomanana amin’ireo fitaovana sy lafiny ara-teknika ary ny amin’ny fametrahana ireo fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahana. Taorian’ny fikatonan’Ambatovy nandritra ny herintaona, noho ny hamehana ara-pahasalamana, dia hiroso tsy ho ela amin’ny fiverenana mamokatra izany orinasa lehibe izany

FAMBOLEN-KAZO TSINJONY AMPANGABE

Vinan’ny Fitondram-panjakana ny hamerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso. « Mamboly hazo tia Tanindrazana, mandoro ala mandoro Tanindrazana » lohahevitra ho an’ny taom-pambolen-kazo taona 2021, izay nosokafan’ny Filoham-pirenena tany Taolagnaro ny 19 janoary 2021 lasa teo.

Ny Zoma 29 Janoary 2021 dia nanatontosa fambolen-kazo ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika foibe sy ireo ratsamangaika ao aminy ary ireo mpiaramiombon’antoka. « Madagasikara rakotra ala no tanjona », ka zanakazo 7000 fototra nahitana Oliva sy Acacia no nifandrimbonan’ny rehetra novolena tamin’izany tao amin’ny Fokontany Tsinjony Ampangabe, Kaominina Behenjy. Toerana izay efa nanatanterahan’ny OMNIS fambolen-kazo mandritra ny taona nifandimby, ka 31,5Ha no velarantany efa voavoly hazo hatramin’izay.

Sary izay heverina matetika ny hoe manimba ny tontolo iainana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, saingy nasehon’ny fianakaviamben’ny Ministera an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika androany teny Tsinjony Ampangabe fa mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ity sehatra ity, mba ho an’ny taranaka aoriana, hoy ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA. Nankasitrahany ny fiaraha-mientan’ny mpiara-miasa sy ireo rehetra nifanome tanana, fa namporisihany sy nentaniny ihany koa ny mpiray Tanindrazana hanatanteraka ny adidiny ho amin’izay fambolen-kazo izay, hahatrarana ny vina ho an’ ity taona ity.

Hifanome tanana amin’ny fanaraha-maso sy fikajiana ireo hazo novolena toy ny hatrizay ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny OMNIS ary ireo vahoaka eny ifotony. Mahavelom-bolo ny fitombon’ireo hazo novolena tamin’ireo taona teo aloha vokatr’izay fanaraha-maso izay.

FAMBOLEN-KAZO DIRMRS TOLIARA

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma faha 22 Janoary 2021 lasa teo ny fambolenkazo teto Atsimo-Andrefana, ka natao tao amin’ny Station forestière Sakaraha. Zanakazo maro karazana miisa 250 000 no novolena tamin’ny velarantany 100Ha eo. Nozaraina isaky ny Sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana izany, ka anjaran’ny sampandraharaha tsirairay ny manaramaso ny parcelle sy mikolokolo ny famboleny.

Nandray anjara feno nandritra izany ny DIRMRS Toliara, ary tapitra voavoly ny andron’io 22 Janoary io ihany ny 2ha izay anjarany. Tsy tapitra eo anefa ny asa fa tsy maintsy atao izay hahavelona ny hazo voavoly rehetra. Noho izany, tsy maintsy hiverenana afaka fotoana fohy mba hafahana manolo raha sanatria misy ny zanakazo maty.

Marihana ihany koa, fa 320 000ha no tanjona tratrarina mandritra ny fotoan’ny rotsak’orana. Maneho ny fahavononany hatrany ny DIRMRS Toliara hamita ny adidiny mba ho anjara biriky amin’ny famerenana indray ny Tanindrazantsika ho Nosy maitso.

Fampitam-baovao: DIRMRS Toliara