Fanaovan-tsonia fifanaraha-piaraha-miasa momba ny famaritana ny rambontany ambany ranomasin’i Madagasikara

Notanterahana ny Zoma 16 Aprily 2021, tao amin’ny Salle des Conventions an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny lanonana fanaovan-tsonia nampitain-davitra ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny famaritana ny rambontany ambany ranomasin’i Madagasikara. Izany dia taorian’ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra ny 03 Martsa 2021 ny fiaraha-miasa ara-tsiantifika eo amin’ny OMNIS sy ny Second Institute of Oceanography (SIO).

Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A. S. Oliva, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Andriamatoa RAVOKATRA Fidiniavo no nitarika ireo solontenan’ny Fanjakana malagasy, izay nahitana teknisiana avy eo anivon’ny Ministera roa tonta sy avy ao amin’ny OMNIS. Ny Minisitra lefitra sinoa Dr WANG Hong, misahana ny Loharanon-karena Natoraly sady Mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny State Oceanic Administration kosa no nitarika ireo solontenan’ny Governemanta sinoa, ary notronin-dRamatoa GUO Xiaomei Masoivoho Sinoa miasa sy monina eto Madagasikara.

Ramatoa isany RASOLONIRINA Nantenaina, Tale Jeneraly mpisolo toerana OMNIS sy Dr FANG Yinxia, Tale Jeneraly Lefitra SIO no nanatontosa ny fanaovan-tsonia izany fifanaraham-piara-miasa izany.

Ny taona 2011 i Madagasikara no nanomboka nametraka ny fangatahana fanitarana ny rambontany ambany ranomasina teo anivon’ny Vaomieran’ny Firenena mikambana mamaritra ny Plateau Continental (CLPC). Andalam-pandinihana izany fangatahan’i Madagasikara izany ankehitriny, ary misy ny famenoana antontan-taratasy takian’ity Vaomiera iraisam-pirenena ity. Tsinjon’ny fitondrana ankehitriny ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-stratejika mety aterak’io fanitarana ny rambontany io ka nahatonga azy nanetsika indray ireo dingana mety hahatongavana amin’izany. Izany indrindra no antony nametrahana izao fiaraha-miasa eo amin’ny OMNIS sy SIO izao.

Nisafidy ny hiara-miasa amin’ny mpiara-miombonantoka manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, ny SIO rahateo dia ivon-toeram-pikarohana manana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-pitaovana hahafahana manatanteraka ireo asa fikarohana an-dranomasina tsy maintsy atao. Marihana fa iarahan’ireo manam-pahaizana siantifika malagasy sy sinoa ny asa fikarohana sy fanadihadiana hotontosaina.

Ny rambontany ambany ranomasin’i Madagasikara dia faritra miitatra an-kilaometatra maro any ambany fari-dranomasina atsimo. Velarantany izay mitahiry loharanon-karena voajanahary maro sy harena an-kibon’ny tany, solika ary gazy.

FANAMPIM-PANAZAVANA MAHAKASIKA NY FANAFOANANA NY INSTITUT DE GEMMOLOGIE DE MADAGASCAR

Araka ny tapaky ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 28 Aprily 2021 dia nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM) sy ny drafi-pandaminana izay ho enti-manatanteraka izany. Izany fanapahan-kevitra izany dia ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny Minisitra ny faha-10 Martsa 2021, nankatoavana ny didim-panjakana manangana sy mametraka ny sata mifehy ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar.

Nihaona tamin’ireo mpiasa sy niresaka tamin’ireo mpiofana tao amin’ny foiben’ny Institut de Gemmologie de Madagascar, ary nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanokarena Stratejika Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA ny Alakamisy 29 Aprily 2021.

Toeram-pampiofanana manana traikefa sy fahaiza-manao avo lenta ny IGM ary nokendrena hitondra tombony manokana ho an’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy eto Madagasikara no antony nananganana azy. Tsy arak’izay anefa ny zava-misy ary tsy nahavelon-tena fa niankina hatrany amin’ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana foibe izy. Ny taona 2014 hatramin’izao dia mitotaly 2.876.056.000 Ariary ny fanampiana nalefan’ny Fanjakana ho an’ny IGM ; torak’izany ihany koa ireo nanovo fahalalana teo amin’ity toeram-pampiofanana ity, izay hany manana fahaiza-manao sy fahafahana mampiofana experts en gemmologie ahazoana mari-pahaizana iraisam-pirenena avy any Londres aty amin’ny faritra Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana, saingy 175 monja no hany mpianatra tamin’izany hatramin’ny taona 2004 no mankaty. Izany rehetra izany dia maneho fa zary vesatra ho an’ny Fanjakana ny fisian’ny IGM.

Ny fahatsapan’ny Fitondram-panjakana fa tsy tokony ho toy izao no toerana misy ny IGM manoloana ny lentan’ny fampiofanana atolony, sy ho fanomezana aina vaovao ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy eto Madagasikara no anokafana sehatra mivelatra kokoa ho an’izany, ka hananganana ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar. Ankoatra ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy sy fampiofanana izay niandraiketan’ny IGM teo aloha, ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar dia hikirakira ihany koa ny antontan-kevitra momba ny données géologiques hahafahana mamantatra bebe kokoa ny harena ambanin’ny tany eto Madagasikara.

TAFATSANGANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY VONDRONA IFAMPIRESAHANA EO AMIN’NY ORINASA QMM SA SY NY FANJAKANA MALAGASY ARY TONTOSA SOA AMAN-TSARA NY FIVORIANA VOALOHANY

Ny Convention d’Etablissement no mifehy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny orinasa QMM SA sy ny Fanjakana malagasy. Madiva ho tapitra amin’ny 18 febroary 2023 ny fe-potoan’izany fifanarahana izany ka, araka izay voafaritra dia mila mamerina fifampidinihana 24 volana mialoha ny hifaranan’io daty voatondro io ny orinasa QMM sy ny Fanjakana malagasy mahakasika ny resaka hetra sy fadin-tseranana izay mifehy azy.

Tapaka nandrindra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 10 Febroary 2021 ny hananganana Vondrona ifampiresahana eo amin’ny orinasa QMM SA sy ny Fanjakana malagasy, manodidina indrindra io fifanekem-piaraha-miasa io. Ankoatra fandinihana ny resaka hetra sy fadin-tseranana, dia hisy ihany koa fijerena ireo lafin-javatra hafa mahakasika ny fanatanterahana sy fampandehanana ny tetikasa sy ny tohin’izay mety ho endriky ny fiaraha-miasa amin’ny QMM SA sy ny Fanjakana malagasy.

Araka izany, ity Vondrona ifampiresahana na Groupe de discussion ity dia,hiasa eo ambany fitarihan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA ary hahitana ireo avy amin’ireo Ministera sy Sampandraharam-panjakana hafa voakasik’io tetikasa io sy solontena avy amin’ny ankolafin’ny orinasa QMM SA. Marihina fa nisy ihany koa tompon’andraikitra avy amin’ny Rio Tinto Canada nanatrika ity fivoriana androany ity tamin’ny alalan’ny « visioconférence ».

Taorian’ny fivoriana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Vondrona ifampiresahana dia nisy avy hatrany fivoriana niarahan’ny avy eo anivon’ny QMM SA sy ireo mpitarika isan-tokony misolo tena ny Fanjakana malagasy. Harafitra tsy ho ela moa ny drafitra hanatanterahana ny asa.

LE GROUPE DE DISCUSSION ENTRE QMM SA ET L’ETAT MALAGASY OFFICIELLEMENT MIS EN PLACE

Le partenariat entre Qit Madagascar Minerals SA (QMM) et l’Etat malagasy est régi par la Convention d’Etablissement entrée en vigueur depuis 1998 et qui arrivera à expiration le 18 février 2023. Des dispositions de ladite Convention stipulent que la société QMM SA et l’Etat malagasy devront entreprendre les discussions concernant le régime fiscal et douanier auquel QMM SA sera soumise, dans un délai d’au moins vingt-quatre (24) mois avant l’expiration du régime fiscal et douanier privilégié.

C’est dans ce contexte que le Conseil des Ministres du 10 Février 2021 a décidé la mise en place d’un Groupe de discussion rassemblant QMM S.A et la Partie malagasy, par rapport à cette Convention d’Etablissement. Ainsi, outre les discussions sur le régime fiscal et douanier, l’Etat malagasy saisira cette opportunité pour une ouverture sur d’autres points saillants de ladite Convention.

Dans ce cadre, un Groupe de discussion entre QMM SA et l’Etat Malagasy a été officiellement mis en place, ce mardi 16 février 2021 au Mining Business Center Ivato, sous l’égide du Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques Fidiniavo RAVOKATRA, avec la participation de tous les départements ministériels concernés par le Projet, ainsi que les représentants officiels de QMM SA. Des cadres de la société mère Rio Tinto à Canada ont assisté à cette réunion par visioconférence.

La Réunion de mise en place officielle s’est tout de suite enchaînée avec une première réunion entre QMM SA et les Chefs de Volet de la Partie malagasy. Le plan d’action sera prochainement établi.

FITSIDIHANA FANARAHA-MASO NY ASA FANANGANANA NY TRANOBE IOMBONANA HANODINANA VATOSOA TAO VATOFOTSY ANTSIRABE

Tanjona napetraky ny Fanjakana ny fanodinana ireo vatosoa sy vato sarobidy mialoha ny
hanondranana azy ireo, mba hampiakatra kokoa ny vidiny rehefa manaraka ny lenta takian’ny
tsena iraisam-pirenena.
Tafatsangana soa aman-tsara ao Vatofotsy Antsirabe ny Tranobe iombonana hanodinana
vatosoa na Atelier Communautaire de Lapidairerie voalohany eto Madagasikara ankehitriny
ary tonga nanatanteraka fitsidihana fanaraha-maso ny asa vita ny Minisitry ny Harena an-
kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA. Nifanotrona
tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra sy ny avy ao amin’ny
Prefektioran’Antsirabe ary ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DRMRS
Vakinankaratra izay nitarika ny fitsidihana.
Ny Atelier Communautaire de Lapidairerie dia fotodrafitrasa iombonana izay ahitana
fitaovana matihanina fanodinana vatosoa, hahafahan’ireo mpiantsehatra mikirakira sy manefy
vato, ary koa hanomezana fiofanana azy ireo mba hirosoany amin’ny sehatra matihanina.
Tetikasa santatra ity ao Antsirabe ity, araka ny fanazavan’ny Minisitra Fidiniavo
RAVOKATRA ary kendrena hihodina avy hatrany vantany vao tonga ireo fampitaovana ao
anatiny. Mbola hisitraka ny fotodrafitrasa toy izany ny any amin’ny Faritra hafa satria maro
ireo olona mivelona amin’ity seha-pihariana vatosoa sy vato sarobidy ity. Nohamafisiny
hatrany ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fampanarahan-dalàna ireo mpiantsehatra mba
hahafahan’ny lalam-pihariana vatosoa hitondra fampandrosoana tena izy ho an’ny Faritra sy
ny firenena.
Manana ny lazany manokana amin’ny resaka vatosoa ny tanànan’Antsirabe ka izany no
isan’ny antony nisafidianana azy hananganana ity Tranobe iombonana ity.
Nankasitraka feno ny Fitondram-panjakana amin’izao foto-drafitrasa izao, izay tena mamaly
ny filàny, ireo mpiantsehatra izay matetika misedra olana amin’ny tsy fananana fitaovana hary
fomba hanarahana ny lenta takian’ny tsena iraisam-pirenena.
Tetsy andaniny, ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, nandritra ny fitsidihana ara-pomba
fanajana nataon’ny Minisitra tao amin’ny toeram-piasany dia nanamafy fa manana harena
voajanahary maro ny Faritra ary iaraha-manaiky fa lalam-pihariana goavana ny harena an-
kibon’ny tany ho amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena. Miara-miasa avokoa ny Fanjakana

amin’ny isan-tsokajiny amin’ny fampidirana anaty sehatra manara-drafitra mba
hampitomboana ny vola miditra anaty kitapom-bolam-panjakana.
Tetsy andaniny, ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra dia nanamafy fa manana harena
voajanahary maro ny Faritra ary iaraha-manaiky fa lalam-pihariana goavana ny harena an-
kibon’ny tany ho amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena. Miara-miasa avokoa ny Fanjakana
amin’ny isan-tsokajiny amin’ny fampidirana anaty sehatra manara-drafitra mba
hampitomboana ny vola miditra anaty kitapom-bolam-panjakana.

Nivahiny tao amin’ny Fandaharana ADY HEVITRA tao amin’ny Televiziona Malagasy ny Zoma 15 Janoary 2021 Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika.

Lohahevitra maromaro no voaresaka nandritra izany, isan’izany ny momba:

  • Ny raharaha volamena 73,5 kg naondrana antsokosoko tratra tao Afrika Atsimo: mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana ataon’ny Fanjakana malagasy sy ny fifandraisana ara-diplomatika miaraka amin’i Afrika Atsimo. Nihemotra ho amin’ny 1 Febroary 2021 ny raharaham-pitsarana any Afrika Atsimo ary tsy marina ny filazàna fa nolavin’ny Fitsarana any an-toerana ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy hampodiana ireo telo lahy voasambotra tany sy hamerenana an-tanindrazana ireo volamena izay ny firenena Afrika Atsimo no mbola mihazona azy saingy ampidirina avy hatrany ao amin’ny Tahirim-bolamenam-panjakana rehefa miverina eto Madagasikara. Samy manao ny asa tandrify azy ny tomponandraikitra rehetra ary tsy misy ho afa-maina izay voakasik’izao raharaha izao.
  • Ny tontolon’ny seha-pihariana volamena: tsy mifanaraka amin’ny antontanisa voarakitra ofisialy ny zava-misy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena satria manodidina ny 10T mahery no volamena voalaza fa avy aty Madagasikara ary latsaka lavitra noho izany no volamena voasoratra fa naondrana tamin’ny fomba ofisialy, izany hoe mandalo amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany (2020: 1938kg). Tsy tafiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola mifanaraka amin’ireo tsy voarakitra ofisialy ireo ary manampy trotraka ny tsy fiverenan’ny vola vahiny (rapatriement de devises) araka ny tokony ho izy. sy ny paikady ifarimbonan’ny Fanjakana hiarovana ny sisin-tany sy hamongorana ireo tambazotra fanondranana antsokosoko ny harenam-pirenena.
  • Ny Tahirimbolamenam-panjakana : ny 15 Desambra 2020 no nanomboka nividy volamena ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Hatreto dia 177 kg no volamena ao amin’ny Tahirimbolamenam-panjakana ary mbola mitohy ny fividianana volamena amin’ireo mpandraharaha ara-dalàna voafantina sy mahafeno ny fepetra amin’izany.
  • Ny fivoaran’ireo dingana ho amin’ny fanatsarana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany: amperinasa tanteraka ny Komity ivondronan’ny vondrona marolafy ahitana ireo Mpitrandraka teratany, Mpitrandraka vaventy, ny Fiarahamonim-pirenena, ny Sendika ary ny Fanjakana.
  • Ny orinasa Kraomita Malagasy : efa misy ny ezaka nataon’ny Fanjakana ary nandoavana ny karaman’ny mpiasa telo volana na tao anaty fikatsoana sy tsy nihodina aza ny orinasa. Mitohy ny fitadiavam-bahaolana ho amin’ny drafi-panarenana ity orinasam-panjakana izay tafalatsaka anaty fahavoazana lalina noho ny fifanarahana tsy voahevitra ka mamatotra ny orinasa hatramin’izao.
  • Ny zava-misy ara-politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao: tany demokratika i Madagasikara ary mandala ny fahalalahan’ny rehetra miteny sy maneho hevitra. Misy ny tolo-kevitra ho fanatsarana ary mandray sy mandinika izany ny Fanjakana. Misy koa anefa ny fanehoan-kevitra sy ny fampielezana vaovao tsy marina mampisavorovoro ny saim-bahoaka sy fambolena fankahalana.

Miroso ho amin’ny lalan’ny fampandrosoana izay efa izorany ny Fitondram-panjakana izay mifanome tanana amin’ny vahoaka ho fanatanterahana izany.

JOURNEE DE L’IGM

Notanterahana ny Sabotsy faha 28 Novambra 2020 ny hetsika « Journée de l’IGM », varavarana misokatra mampahafantatra bebe kokoa ny Institut de Gemmologie de Madagascar izay rantsamangaikan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika. Mampiavaka azy ny maha-toeram-panofanana ambony tokana, nahazo alalana avy amin’ny fikambanan’ny Gemmologue maneran-tany any Londres, hampianatra ho lasa gemmologue international eto Afrika sy eto amin’ny ranomasimbe Indianina . Manana laboratoara fitaratra ihany koa ny IGM, manao fitsirihana sy manamarina ireo vato mivoaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mpiasa 11 ao amin’ny IGM kosa no notolorana mari-pankasitrahana ka ny 3 volafotsy ny 8 kosa alimo.

Nanambara ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA fa fanamby miandry ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Institut de Gemmologie de Madagascar na ny IGM ny ahafahana mametraka ny label Made in Madagascar. Mba ahafahana mametraka ny vidiny lafo kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nefa dia mila ahodina sy tefena ireo vatosoa sy vato sarobidy malagasy ireo.

Horonantsary: Vaovao VIVA Evènement 28/11/2020

ANJOZOROBE : ATRIKASA FAMPAHAFANTARANA SY FAKAN-KEVITRA TENY IFOTONY HO FANATSARANA NY LALANA MIFEHY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Tonga nanatanteraka atrikasa teny ifotony, niara-nidinika tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao anatin’ny Distrikan’Anjozorobe, ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Talata 24 Novambra 2020. Nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana, notarihan’ny Lehiben’ny Distrika Anjozorobe, ireo Ben’ny Tanàna sy Filankevitra Kaominaly avy amin’ireo Kaominina 19 mandrafitra ny Distrika, ary ireo avy amin’ny Sampandraharaham-panjakana any an-toerana.

Toerana anisan’ny manankarena harena an-kibon’ny tany ny Distrikan’Anjozorobe saingy, hatreto, mbola tsy misitraka ny tombontsoa azo avy amin’izany ny rehetra. Fatiantoka ho an’ny firenena sy ireo kaominina ny tsy fisian’ny tamberim-bidy miditra ao anaty kitapom-bolan’izy ireo, noho ny fisian’ny lesoka sy ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ho fiatrehana izany olana izany indrindra no hirosoan’ny Fanjakana ankehitriny amin’ny fanatsarana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany hita fa misy tsy fahatomombanana, efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ary indrindra mba hanamorana ny fanatrarana ireo vina nosoritana mahakasika ny sehatra harena an-kibon’ny tany.

Hentitra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA fa ny tombontsoa iraisana no imasoana ao anatin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany fa tsy tombontsoan’olom-bitsy; ny Fanjakana rahateo dia tsy mihemotra ho fikatsahana izany. Ny fakan-kevitra natao teny ifotony dia manamafy ny petra-kevitra ny amin’ny hanatsaràna sy hanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ary nahafahana mahafantatra ireo olana eny an-toerana ka hampifanaraka ny fepetra raisina manoloana izany.

Isan’ny nivoitra tamin’io dinikasa io fa manana andraikitra lehibe, ireo vondrom-bahoakam-paritra, indrindra ireo Ben’ny Tanàna, amin’ny lafiny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Manoloana izany, fampahafantarana ireo anjara andraikitra manandrify izay ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, fakàna ny soso-kevitr’izy ireo hahafahana manatsara ny lalam-pihariana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany no lahadinika niompanan’ny fifanakalozana.

Velom-pisaorana araka izany ny Lehiben’ny Distrika Anjozorobe, izay naneho ny fahavononany hiara-miasa, mba hanatrarana ny tanjona iraisana. Torak’izany koa ireo Ben’ny Tanàna, izay samy resy lahatra fa fototry ny fampandrosoana ny fari-piadidian’izy ireo ny harena an-kibon’ny tany, nefa talohan’izao dia tsy nahafantatra izay anjara andraikitra sy ny zon’ireo kaominina manoloana izany izy ireo.

KOMITY FANATSARANA NY CODE MINIER : MITOHY NY FIARAHA-MIDINIKA ISAM-BONDRONA

Mitohy hatrany ny dinika fifanakalozan-kevitra iarahan’ireo mpitarika isam-bondrona anatin’ny komity mpandinika sy mpandrafitra mahakasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny Ministera tomponandraikitra. Vondrona izay ahitana ny fiarahamonim-pirenena, ny sendikan’ny mpitrandraka, ny tranoben’ny harena an-kibon’ny tany, ny mpitrandraka teratany ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Omaly Alakamisy 12 Novambra 2020, dia nisy ny fihaonana izay notarihin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon- karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA tao amin’ny Amphithéatre Lacroix Ampandrianomby.

Tsotra ny tanjona kinendrin’ny Fanjakana dia fanatsarana ny lalàna hifanaraka amin’ny toe-java-misy ankehitriny, mba hampitomboana ny tombotsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy azo avy amin’ny alalan’ny harena an-kibon’ny tany, hampandrosoana ny firenena ary hisitrahan’ireo mpiantsehatra ny mahasoa azy ireo koa. Araka izany, samy mandroso izay tolo-kevitra avy aminy ny mpandray anjara isaky ny sokajiny, ary tsapa fa ankoatra ny fiadiana ho an’ny tombontsoan’ny vondrona tsirairay dia hita taratra ny fiaraha-mitsinjo ny tombontsoa iombonan’ny firenena.

Tsiahivina fa tamin’ny fiandohan’ity taona 2020 ity no nanombohan’ny fifampidinihana izay notanterahana isaky ny Alakamisy. Taorian’ny fiatoana noho ny hamehana ara-pahasalamana dia efa nitohy isan-kerinandro nanomboka ny 31 Aogositra 2020 izany.

Mbola maro ny lalana hizoran’ity fanatsaràna ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ity miala avy eo amin’ny komity mpandinika sy mpandrafitra. Isan’izany ny fandinihana azy eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra, mialohan’ny hitondràna izany eo anivon’ny Antenimiera roa tonta. Ezahana ny hahatontosana izany ara-potoana manoloana ny zava-misy ankehitriny sy ny anjara biriky ho entin’ity sehatra ity eo amin’ny fanarenana ara-toekarena aorian’ny valanaretina Coronavirus.

Akon’ny DRMRS SAVA : Atomboka ny fanamboarana ny BAM Vohemar

Voapetraka soa aman-tsara ny 30 oktobra 2020 tany Vohemar ny vatofototry ny birao ifotony misahana ny fitantanan-draharan’ny Harena an-kibon’ny Tany na « Bureau d’Administration Minière » Vohemar, tao amin’ny Kaominina Andranomasikely I. Kaominina miisa 19 no mandrafitra ny Distrikan’ny Vohémar, ka ny 9 amin’ireo dia manana harena an-kibon’ny tany isan-karazany. Ny Distrikan’i Vohemar no ahitana izany betsaka indrindra any amin’ny Faritra SAVA, ary manaraka azy i Antalaha.

Tany an-toerana ny delegasionan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, notarihin’ny Sekretera Jeneraly Andriamatoa RANDRIANARISON Primo sy ny Talen’ny Kabinetra RAKOTOARISON Adolphe. Nifanotrona nandritra izany ireo solontenam-panjakana any an-toerana, ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika SAVA ary ny Talen’ny BCMM Sambava. Nanatrika izany ihany koa ireo olo-manan-kaja sy Olobe an’ny tanàna.

«Anisan’ny Faritra manan-karena harena an-kibon’ny tany ny Faritra SAVA, indrindra fa Vohemar, ka ho entina hanatsarana ny fintantanan-draharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany, sady indrindra ho fitsinjovana ireo mpisehatra anatin’izany, no hananganana izao fotodrafitrasa izao», araka ny fanazavan’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera tomponandraikitra. Ankoatra ireo sampandraharaha misahana ny fandraharahana, hametrahana solontena avy amin’ny BCMM, ANOR sy Unité Police des Mines ihany koa ny BAM Vohemar.

Mampiavaka an’i Vohemar ny fisian’ny seranan-tsambo lehibe any an-toerana, anatanterahana ny fanondranana rehetra avy any amin’ny faritra SAVA, ka tafiditra anatin’ny paikady hanamafisana ny fanaraha-maso ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany ihany koa izany.

Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka no antony hananganana izao fotodrafitrasa izao. Raha tsiahivina dia ny volana Septambra lasa teo no napetraky ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA ny Talem-paritra vaovao DRMRS SAVA ao Sambava. Tsy voatery hamonjy any Antsiranana intsony ny mpandraharaha ao Sambava, Andapa, Antalaha amin’ny fikarakarana taratasy. Mbola mifanalavitra amin’izany nefa ny ao Vohemar izay any amin’ny tapany avaratry ny Faritra, nefa ahitana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany maro, ka izao hananganana ny BAM izao.