TAFA NIARAHAN’NY MMRS TAMIN’NY MPANAO GAZETY- 15/05/2023

 Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, androany Alatsinainy faha-15 Mey 2023, ka lohahevitra telo no nitondrany fampahafantarana sy fanazavana ho an’ny mpanao gazety, niresahana ireo fanapahan-kevitra nifanesy tao anaty Filankevitry ny Minisitra sy ny Lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Mba tsy haha-tompon-trano mihono ireo mpiasa ato anivon’ny Ministera dia nasain’Andriamatoa Minisitra hanatrika izany fihaonana izany koa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny MMRS, niaraka tamin’ireo ratsamangaika samihafa avy amin’ny Organismes rattachés.

Noresahana tamin’izany ny momba ny :

-Seha-pihariana volamena : manodidina indrindra ny fiverenan’ny fanondranana ofisialy an’izany, ka nanambaràn’Andriamatoa Minisitra fa efa misokatra eo anivon’ny birao misahana ny seha-pihariana volamena na ny ANOR ny fandraisana ny antontan-taratasy hangatahana ny « agrément de comptoir ». Mifanindran-dalana amin’izany ny fametrahana « guichet unique d’exportation » eny amin’ny Mining Business Center Mamory Ivato, izay hahitana ireo sampan-draharaha rehetra hiara-hisalahy ho amin’ny fampandehanana manaraka ny lalàna ny fanondranana volamena izay hapetraka.

-EITI Madagascar : ireo dingana nirosoan’ny Fanjakana malagasy izay maneho sy manamafy ny fahavononany handray ny anjara andraikiny, izay takian’ny EITI na Initiative pour la Transparence des Industries Extractives, izay fenitra iraisam-pirenena ho an’ny fangaraharan’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ny zava-dehibe indrindra tamin’izany ny fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny faha-30 Martsa 2023, nanovàna ny statut juridique an’ny EITI Madagascar ho EPA, hahafahan’ny Fanjakana mamatsy ara-bola azy ara-dalàna.

-Code Minier : famerenana ny fanazavana manokana momba ireo karazana fahazoan-dalana na permis minier, sy fanazavana ankapobeny ireo fiovana lehibe ao anatin’izany Code Minier izany. Nankatoavan’ny teo anivon’ny Antenimierampirenena izany ny Zoma 12 Mey 2023 lasa teo ary hodinihina eny amin’ny Antenimierandoholona amin’ity herinandro ity.

Nanamarika ny Minisitra fa « Ity Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany vaovao ity dia manome lanja bebe kokoa ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay hanana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny asa fitrandrahana eny ifotony, ny fandraisana anjara amin’ny famaritana ny fandraisana andraikitra ara-tsosialin’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, ary ho tafiditra ho isan’ny mpikambana ao anatin’ny Comité National des Mines na CNM »

Azonao averina arahana amin’ity rohy ity fanazavana teo aloha efa nentin’Andriamatoa Minisitra momba ity Code Minier vaovao ity : https://mmrs.gov.mg/?p=1145